Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Federasiona Olympika: hanohy ny fifaninanana sa hanao AG ?

Samy miandrandra ny hifaranan’ity toe-draharaha ara-pahasalamana ity ny rehetra, isan’izany ireo mpitantana fanatanjahatena, izay miandry fatratra ny hiverenana sy hanohizana indray ny fikarakarana hetsika. Somary mampisalasala tanteraka ihany anefa ny tohiny, iaraha-mahalala, efa hisasaka ny taona, toy izany koa ny taom-pilalaovana, izay efa nisy mihitsy moa ny Federasiona nanambara ny amin’ny fahataperan’izany taom-pilalaovana izany. Ny hafa indray, mbola misalasala ny amin’ny fanapahan-kevitra raisina na hanohy ny fifaninanana rehetra mbola tsy vita na ihany koa hiditra amin’ny fanatanterahana ny fivoriambe fanao ara-potoana. Ny olana, raha miditra amin’iry voalohany dia tsy maintsy mila vola hikarakarana izany kanefa iaraha-mahalala ny mety ho fahasahiranana amin’ny ara-bola. Raha hiditra amin’ny faharoa indray dia somary sadaikatra ihany hivory kanefa tsy misy tatitra ho an’ny asa vita akory.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.