Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vokatry ny Covid-19: vitsy mpanjifa ny fitaovana ara-panatanjahantena 

Manoloana ny fisian’ity tsimokaretina coronavirus ity, misedra fahasahiranana avokoa ny ankabeazan’ireo sehatra fihariana sy fandraharahana isan-karazany eto amintsika, Isan’izany ny mpivarotra ireny fitaovana ara-panatanjahantena ireny, izay nanambara fa tena mihena mba tsy hilazana mihitsy fa zara raha misy mividy izany, amin’izao. Taorian’ny fepetra navoakan’ny fitondrana fa miato ny fikarakarana hetsika ara-panatanjahantena no nanomboka tsapa izany, hoy ireo mpivarotra nanontanianay. Ny tena olana, tsy azo atao “braderie” na ahena ny vidin’ilay fitaovana satria dia nisy masonkarenany, raha tsy manao izany indray anefa dia mihitsoka fotsiny eo ny entana ary mety ho simba fotsiny ampitoerana. Manoloana izany, miantso ny fitondrana mba hijery azy ireo ihany koa, ity sehatra fandraharahana iray ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.