Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Pr. Rafolo: mijanona ao anaty komity siantifika

Pr. Rafolo: mijanona ao anaty komity siantifika

Araka ny fampitam-baovao, natao ny 25 mey 2020, navoakan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika: “Nifampidinika ny famitana ny asa fanarenana sy ny fanamboarana atao ao anatin’ny Rovan’Antananarivo ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy ny Profesora Rafolo Andrianaivoarivony, isan’ireo mpikambana ao anatin’ny Komity Siantifika, androany hariva, izay naharitra adim-pamantaranandro roa ny fihaonana”.

Nambaran’ity fampitam-baovao ity fa: “ Nifanaraka ny roa tonta, hifanome tanana ao anatin’ny asa fanamboarana rehetra atao amin’ny vakoka eto amin’ny firenena ny Filoham-pirenena sy ny Profesora Rafolo Andrianaivoarivony, ary nanamafy ny Profesora fa mijanona ao anatin’ny Komity Siantifika ny tenany”.

Voalaza ao anatin’ity fampahafantarana an-gazety ity ihany koa fa: “ Ny tetikasa rehetra izay iarahana manangana dia mba hamerenana indray ny hambompom-pirenena sy ho reharehan’ny firenena hameloma-maso ny fitiavan-tanindrazana ao anatin’ny Malagasy”.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.