Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fibatana Fonjamby – Vania Ravololoniaina: « Rehefa  mandeha tsara ny fiainana dia milamina ny saina”

Fibatana Fonjamby – Vania Ravololoniaina: « Rehefa  mandeha tsara ny fiainana dia milamina ny saina”

GazetyTaratra(*): Isan’ny atleta mbola anatin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Lalao Olympika ianao no niato izany,  ahoana ny hevitrao ?

Vania Ravololoniaina(-) : Tohizana foana ny fanazarantena dia ny tena iriana sy hangatahana amin Andriamanitra, mba ho foana ity aretina coronavirus ity satria miankina be dia be amin’io ny mety hahatanteraka ny fiatrehana io Lalao Olimpika io.

* Efa nambara fa hihemotra amin’ny 2021 ny JO, tsy hisy fiatraikany amin’ny taona sy ny tanjaka ve izany.

– Rehefa milamina amin’ny fiainana, indrindra amin’ny resaka asa sy ny rehetra dia milamina ny saina , mandeha ho azy foana io na mitombo ary ny taona.

* Mahakasika izay indrindra, efa miasa tokoa ve ianao ?

– “Stage” fotsiny izao no mbola nataoko, hatramin’izao, dia mbola tsy fantatra ny tohiny.

* Inona ary ny antso ataonao.

– Ny antso ataoko izany dia mba hilamina ny fiainana arakasa satria tsy milamina ny saina na dia efa nanao “stage”, ary raha tsy ety an- tanana mihitsy ny “contrat”. Ny asa ihany no maha olona ary mba te ho toy ireo zoky teo aloha ihany koa izahay zandry.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.