Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

BEPC – Faritra Vakinankaratra: tanterahina ny adina ara-panatanjahantena

Na eo aza ny hamehana ara-pahasalamana, ny tahotra sy ny horohoro aterak’ny valanaretina covoid-19, mitohy ny fampianarana ireo mpianatra hanala fanadinana. Ho an’ny faritra Vakinankaratra, mandeha ny adina ara-panatanjahantena, nanomboka ny alatsinainy teo.

Anjaran’ny Cisco Betafo no manatanteraka izany, tamin’ity herinandro ity ary hifarana rahampitso ny azy ireo.

Nanomboka ny alatsinainy teo ka hatramin’ny 29 mey izao kosa ny an’ny Cisco Ambatolampy Ville. Ny 2 sy ny 3 jona no hanatanteraka ny azy ny any amin’ny Cisco Behenjy. Manohy azy ny 4 sy 5 jona ho an’Ambatolampy Antsapandrano.

Ho an’ny Cisco Faratsiho, hotanterahina ny 2 ka hatramin’ny 12 jona. Ny 8 ka hatramin’ny 13 jona ny an’ny ao Antanifotsy sy Mandoto ary ny 22 hatramin’ny 25 jona ny an’ny Cisco Antsirabe II. Mamarana ny adina ara-panatanjahantena BEPC kosa ny Cisco Antsirabe I, manomboka ny volana jolay any.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.