Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Avotra teny am-pelatanan’ireo jiolahy roa lahy mitam-basy tao Antanamahitsy, distrikan’i Morombe, ilay zaza varira nangalarina tao Somenda. Tokony tamin’ny 1 ora antoandro, ny asabotsy teo, tazan’ireo zandary ireo jiolahy ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Vokany, avotra tamin’izany ilay zaza raha tafatsoaka kosa ireo jiolahy. Tsiahivina fa tamin’ny 21 mey teo no nisy naka an-keriny io zaza varira 11 taona io.

Les commentaires sont fermées.