Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Matsiatra Ambony: basy vita gasy 143 azon’ny zandary

Matsiatra Ambony: basy vita gasy 143 azon’ny zandary

Basy vita gasy miisa 41 indray no naterin’olona ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambondrona, distrikan’Isandra, faritra Matsiatra Ambony, ho fiaraha-mientana amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Basy vita gasy miisa 143, balana Kalach miisa 13 sy Mas 36 miisa efatra koa ny naterin’olona ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Befeta, distrikan’Ambohimahasoa, ny herinandro teo. Tonga nitsidika ireto kaominina ireto ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovanan’ny zandarimariam-pirenena Matsiatra Ambony, ny lietnà Kly Randriampeno Samy niaraka amin’ny depioten’Isandra noho izao ezaka vitan’ireto kaominina roa ireto. Nanentana hatrany ity manamboninahitra ity hamerina ny basy rehetra tsy ara-dalàna izay any aminy ireo manana izany. Tsy misy ny arakaraka ho an’ireo mamerina izany basy izany fa azo aterina mivantana any amin’ny kaominina misy azy ireo tsirairay avy izany raha toa ka manahirana azy ireo ny hanolotra azy mivantana ny mpitandro filaminana. Efa andiany faharoa izao famerenana an-tsitrapo basy izao ho an’ny kaominina Ambondrona raha andiany fahatelo ny an’ny kaominina Befeta. Hametrahana “poste avancé”-n’ny zandarimaria ao kaominina Befeta hitazonana ny fandriampahalemana, araka ny fanazavan’ny lietnà Kly, Randriampeno Samy.

J.C

Les commentaires sont fermées.