Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

 

Taorian’ny fisian’ny tranga Coronavirus vaovao ao Taolagnaro sy ao Toliara, nandray fepetra hanamafy ny fanentanana momba ny fihetsika tsy hifindran’ny tsimokaretina ny governora amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Anosy. Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, efa voazara amin’ny vondron’olona marefo ny saron-tava sy ny savony ka manomboka anio, hihatra ny sazy ho an’ireo rehetra tratra tsy mametraka izany ao an-tampon-tanànan’ny renivohitry ny faritra. Nahazo izany avokoa ny distrika sivy mandrafitra ny faritra.

Efa tonga any amin’ny distrikan’i Moramanga ny ekipan’ny Brigade d’intervention spéciale (BIS) avy aty Antananarivo hanampy tosika ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana. Andraikitra hosahanin’izy ireo ny fitadiavana ireo olona rehetra nifampikasoka tamin’ireo voatily fa mitondra tsimokaretina hanafainganana ny fitiliana. Miara-miasa amin’ny mpanentana eny ifotony ny ekipa hanamorana ny fitadiavana. Voakasika avokoa ny kaominina renivohitry ny distrika sy ny kaominina any ambanivohitra. Miasa 24 ora tsy miato ny ekipa ao anatin’ny BIS.

Les commentaires sont fermées.