Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety- Ndranto.R: “Tanjona ny hifanakaiky amin’ny mpilalao”

Basikety- Ndranto.R: “Tanjona ny hifanakaiky amin’ny mpilalao”

Tsy manana eritreritra ny ho lasa filohan’ny federasiona mihitsy Rakotonanahary Ndranto, filoha mpanorina ny klioba MB2All, taranja basikety. Tanjony ny hifanakaiky amin’ny mpilalao ary mahafinaritra azy ny ho mpanazatra fa tsy ho filoha hitantana mihitsy. Tena faniriany ny ho lasa mpanazatra matihanina, saingy tsy mbola azo eritreretina izany eto Madagasikara. Ankoatra izay, naneho ny heviny izy mahakasika ny fiantraikan’ny Covid-19 amin’ny fanatanjahantena eto amintsika. Mbola tsy tena tafiditra anatin’ny laharam-pahamehana aloha hatreto ny fanatanjahantena amin’izao fihibohana izao, raha ny nambarany. Raha hisy aza ny fijerena ny sehatra tsirairay aorian’ny fihobohana, mety ho faralahy amin’izany ny fanatanjahantena. Efa hita taratra sahady izany amin’izao vanim-potoana sarotra izao, izay tsy mbola nisy mihitsy fijerena ny mpanao fanatanjahantena sy ny mpitantana fanatanjahantena, hatramin’ny niantombohan’ny fahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara.

Eo amin’ny fitantanana klioba kosa, nanamafy i Ndranto fa antoka iray lehibe mampahomby ny fitantanana ny fisian’ny mpanohana, izay mbola sarotra ihany koa hatreto, eto Madagasikara. Vitsy ihany koa ireo mpitantana fanatanjahantena eto tsy mijery afa-tsy ny tombontsoa ka manamaivana ny tena lanjan’izany fanatanjahantena eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.