Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Aorian’ny fihibohana: mety hisy taranjam-panatanjahantena voasivana

Miandry fatratra ny fanambaran’ny filoham-pirenena, ny alahady 31 mey izao, indray ny vahoaka malagasy, indrindra ny eo anivon’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Mbola hitohy ve ny fepetra tsy hahafahana mikarakara hetsika fanatanjahantena sa efa misokatra ? Raha ity farany no hambarany eo, efa mieritreritra sahady ny eny anivon’ity tontolon’ny fanatanjahantena eto amintsika ity ny amin’ny tsy maintsy hametrahana sy hitohizan’ny fepetra satria iaraha-maheno hatreto fa mbola tsy voafehy tanteraka izany tsimokaretina izany. Mety hisy izany manomboka eo ny fanivanana amin’izay ireo taranjam-panatanjahantena, afaka mandeha, toy ireo izay tsy mila fifampikasohana betsaka, saingy betsaka ihany koa ireo mety tsy mbola hahazo fankatoavana ny hiverenany. Tsorina fa tena saropady ary sarotra ny mifehy ireo taranja tena be fifampikasohana, izay mety hampiitatra sy hanaparitaka haingana ilay tsimokaretina ka na ireo mpitantana ny federasiona misy azy na ireo atleta mpikatroka aza, efa samy resy lahatra sy manambony ny toe-tsainy fa mety ho sarotra ny tohiny ho azy ireo. Na ny olon-drehetra aza, efa samy afaka maminavina sahady hoe iza avy tokoa ireo taranjam-panatanjahantena. Tsy azo atao satria tsy mety aminy avokoa ireo fepetra mipetraka, toy ny fanaovana arovava, ny tsy maintsy hisian’ny elanelana iray metatra sy ny maro hafa. Fanirian’izy ireny fotsiny ny hijerena sy hanampiana azy amin’ny fiatrehana ny fihibohana satria miaina toy ny rehetra anaty fahasahiranana ihany koa izy ireny amin’izao fotoana izao.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.