Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Basikety: Efa afaka manaraka amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra, ny zavatra tokony ho fantatra mialoha ny hiatrehana ilay fiofanana homen’ny FIBA, ireo mpiofana. Efa nivoaka ny horonantsary momba izany ho an’ireo mpanazatra. Tsiahivina, isan’ny afaka misitraka izany isika eto Madagasikara ka efa vita ny fifantenana fa miandry ny daty hanatanterahana izany sisa izy 25 mianadahy voafantina.

Volley: Nanao fanambarana ny mpanazatra ny ekipa frantsay, taranja Volley ball, i Laurent Tillie fa nihitatra herintaona ny fakany retirety. Mbola afaka mampiofana ny ekipany hiatrika ny lalao olympika amin’ny taona hoavy araka izany izy. Noho izany, vao vita io lalao olympika amin’ny taona 2021 io dia hijanona amin’ity asa maha mpanazatra azy ity i Laurent Tillie.

Nangonin’i Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.