Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taolam-paty hita tao anaty fanariam-pako

Nalaina avy aiza? Taolan-dava miisa 134 no hitan’ny fokonolona tao amina toerana fanariam-pako ao Marovato fokontany Antanandava kaominina ambanivohitr’i Toamasina Sub-urbaine, distrikan’i Toamasina II, ny alarobia teo. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, fokonolona teny amin’ny manodidina no nahatsikaritra ny fisian’ireo taolan-dava marobe ireo ka nampandre haingana ny zandarimaria ao Antanandava. Nidina teny amin’ilay toerana fanariam-pako avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny dokotera mpitsirika sy ny solontenam-panjakana ka hita tao tokoa ireo taolana marobe ireo. Araka ny famotorana savaranonando nataon’ny zandary dia tsy nisy trangana vaky fasana teny amin’ny fokontany manodidina kanefa nahavariana ny nahitana ireto taolan-dava marobe ireto. Taorian’ny fanadihadiana rehetra dia natolotra ny tompon’andraikitra ireo taolana ireo ka nalevina avy hatrany, saingy nanamafy ny teo anivon’ny zandarimaria fa mbola mitohy ny famotorana rehetra ahafantarana ny loharano nipoiran’ireo taolana ireo.

 J.C

Les commentaires sont fermées.