Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Somaped: namoaka boky hanatsarana ny fitsaboana

Somaped: namoaka boky hanatsarana ny fitsaboana

Namolavola ary nanolotra boky mirakitra ny “Protocoles : Urgences Pédiatriques et néonatales”, miisa 3000, ny Société Malgache de Pédiatrie (Somaped) izay hozaraina manerana ireo tobim-pahasalamana rehetra na miankina amin’ny fanjakana na miahy tena.

Natao hampitoviana ireo rafitrasa mahakasika ny ivontoerana mitsabo zaza vao teraka sy hanatsarana ny fomba fiasa ary hampihenàna ny taham-pahafatesan’izy ireo ity boky ity.

Mila maharaka ny fivoaran’ny tontolon’ny fitsaboana sy ny rivotra entin’ny teknolojia ny dokotera hanatsarana ny fahaiza-manao ka izany no anton’izao boky izao.

“Aoka hozaraina ary hampiasaina, fa tsy amidy akory ity boky ity”, hoy Pr AHMAD Ahmad, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka raha nandray ireo fanomezana ireo, tamin’ity herinandro ity. Marihina fa angady nananana sy vy nahitana ny fanotàna izao boky izao ny Principauté de Monaco.

Eto Madagasikara, maro ireo dokotera, izay mpitsabo manokana ny zaza sy ny ankizy ary filaharambe hatrany no hita amin’ny toeram-pitsaboan’izy ireny.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.