Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitra Raharinirina Vahinala: ”Miankina amin’ny zavaboary ny fiainantsika”

Minisitra Raharinirina Vahinala: ”Miankina amin’ny zavaboary ny fiainantsika”

Mbola miankina tanteraka amin’ny zavaboary ny fiainan’ny zanak’olombelona.

na eo aza ny fandrosoan’ny teknolojia. Tena manan-danja amin’ny fiainantsika sy ny toekarentsika ny fananantsika karazan-java-mananaina miavaka eny amin’ireny rohim-piaina (na ecosysteme) samihafa ireny”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana, Raharinirina Vahiniala, omaly, tamin’ny fanamarihana ny 22 mey Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-java-mananaina. Lohahevitra amin’izany : « Ao amin’ny zavaboary no vahaolana ho antsika”. Nanteriny fa manankarena ity Nosy ity . Karazan-javamaniry  manodidina ny 15.000  no misy eto amintsika ka mihoatra ny 80% amin’ireo, tsy misy any amin’ny firenen-kafa. Momba  ny biby indray, 61% amin’ny vorona, ny 92% amin’ny biby mandady, ny 99% amin’ny karazan-tsahona ary ny 100% amin’ny gidro. ”Eto amintsika ihany no misy an’ireo ary ahazoana tombontsoa, toy ny sakafo, ny rano, ny fanafody, ny akora ilaina amin’ny andavanandro amin’ny fanamboarana akanjo sy fitafiana na koa ny trano onenantsika, ny akoran’afo ampiasaina”, hoy izy.

Ny artemesia, fisorohana ny coronavirus

Notsiahiviny fa maro ireo biby sy zava-maniry eto amin’ny nosy azo nakana singa manokana azo ampiasaina amin’ny fanamboarana fanafody na akora entina ikolokoloana endrika sy bika. Anisan’izany ny artemesia amin’ny fisorohana ny tsimokaretina  covid-19.

Anisan’ny nanohana ny fangatahan’ny mponina ao Fianarantsoa, amin’ny hampijoroana ozinina fanodinana ny artemesia ny tenany. Efa nitsidika ny orinasa Bionnex rahateo ny minisitra.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.