Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miahiahy ny mponin’i Toamasina: razana roa hita nitsitra teny an-dalana

Asa na inona ny ambadik’izao fa somary nahavariana ny fahitana fatin’olona tato ho ato eran’ny arabe ao Toamasina. Tsy misy anefa fanamarihana mazava momba ireo razana ireo. Ho an’ny razana iray voalohany, ny alahady teo, teo amin’ny lalana manakaiky ny kianja fanaovam-baolina an’ny kaominina, tovolahikely iray sahabo ho 17 taona, tsy fantatra mazava ny momba azy sy ny fianakaviany. Ny alakamisy teo indray ny nahitana ny razana faharoa tao Valpinson, tovolahy iray antsoina hoe Francky, 21 taona. Raha ny fanazavana azo dia narary notsaboina tamina hopitaly iray tsy miankina ao Valpinson izy. Nisy fahasarotana anefa ny fitsaboana azy ka nihevitra ny hamindra azy any amin’ny Hopitalibe Toamasina ny mpitsabo, saingy nandà izany ilay marary noho izy tsy misy mpikarakara, araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Vokany, nilaza ny tsy afaka hitazona azy intsony ny hopitaly ka nivoaka izy ary nandray Bajaj fa hoe hody any an-tranony. Tsy lasa lavitra anefa dia maty tao anaty bajaj ary navoakan’ilay mpamily ary navelany teo amoron-dalana. Ny teo amin’ny manodidina indray no niantso ny polisy sy ny BMH. Tsy mbola fantatra mazava, araka izany, ny antony nahafaty ireto olona ireto. Manahy anefa ny rehetra fa misy ifandraisany amin’ny valanaretina Covid-19 izao. Tsy nety nandray ny fatin’ilay tovolahy hatramin’ny fianakaviana aza ka naterina any amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe Toamasina.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.