Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manome 48 ora ny fitondrana: mangataka fanampiana ny mpianatry ny oniversite 

Manamafy ny fangatahana fanampiana amin’ny fitondrana sy ny minisitera mpiahy ny fampianarana ambony ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 22 sy ny filoha isaky ny blocs eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, araka ny fanambaran’izy ireo, omaly taorian’ny fivoriana natao. Mila tosika ny mpianatra, indrindra ireo monina eny amin’ny cité U ho fiatrehana ny fihibohana. Tafiditra amin’izany ny fanomezana vatsy tsinjo sy tosika fameno, misy koa ireo mpianatra tsy mbola nahazo saron-tava toy ny eny amin’ny Cité U Ambolokandrina sy Ankatso II. Mangataka ny hamerenana ny tsena mora hamatsy ny mpianatra eny amin’ny Cité U ny fikambanana ary farany ny fametrahana jiro manazava ny tanàna isorohana ny tsy fandriampahalemana. Voalazan’ny fanambarana fa tsy manamora ny fametrahana ny filaminana sosialy ny talen’ny kabinetra vaovaon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ka tokony hosoloina ity tompon’andraikitra ity. Manome 48 ora ny fanjakana ny fikambanana hanatanterahana ny fangatahana samihafa.

Manohana ny fitondrana ny fikambanan’ny mpianatra momba ny ady amin’ny Coronavirus ary efa nanao ny anjarany tamin’ny fizarana savony ho an’ny mpianatra, ny volana avrily lasa teo.

Efa nizaran’ny fitondrana fanampiana toy ny vary sy kojakoja samihafa ny mpianatra izay naterina isam-bavarana raha vao niandoha ny fihibohana, indrindra ireo tafajanona teny amin’ny Cité U. Efa lany ny vatsy ka sahirana izahay, hoy ny nambaran’izy ireo.

Vonjy A.         

Les commentaires sont fermées.