Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Halatra moto niharo fanapoizinana: olona dimy voasambotra, mbola karohina i Vévé

Halatra moto niharo fanapoizinana: olona dimy voasambotra, mbola karohina i Vévé

Mahita hevitra hatrany ireo mpangalatra eo am-panaovana ny asa ratsiny. Fanapoizinana indray ny nataon’ity vehivavy iray hangalarana moto, ny alatsinainy teo tany Ambohimanarivo Manjakandriana.

Ny alatsinainy teo, nopoizinina vehivavy iray tamina yaourt ny tompona moto, izay nitondra azy ka nangalariny izany avy eo tao Ambohimanarivo Manjakandriana. Nikarama nanatitra ity vehivavy ity tany Talata-Volonondry hamonjy fahoriana ilay lehilahy tompon’ny moto. Nony tonga teny an-toerana anefa, nomen’ilay vehivavy yaourt izy io. Taorian’izay, nalemy tsy nahatsiaro tena ka nitsirara teo amoron’arabe. Nisy nampandre ny zandary ao amin’ny toby Ambohimanarivo ka noentina tao amin’ny CSB II Talata-Volonondry ilay tompona moto. « Rehefa nahatsiaro tena ity farany, nanontany ny moto-ny. Tsy nahatadidy afa-tsy izy nihinana yaourt sy nitondra ilay moto routière miloko manga izy», hoy ny zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Nisokatra ny fanadihadiana ny raharaha ka tratra tany Mangamila Anjozorobe ilay moto. Voasambotra nandritra ny fikarohana natao ilay vehivavy. Olona dimy hafa koa tratra, izay mpividy sy mpamotsy ireo moto halatra amin’ny taratasy hosoka. Mbola nahitana moto miisa telo ankoatra ilay moto routière manga koa tao amin’ny tranon’izy ireo, nandritra ny fisavana natao. Tratra niaraka tamin’izany koa ny odigasy, taratasina moto hosoka ary fitombokase hosoka amin’ny anaran’ny tranombarotra Stone Moto etsy Soamanandrariny. Mbola karohina kosa Ratsimbazafy Juvet Odilon antsoina hoe Vévé naman’izy ireo. « Ka iangaviana izay manam-baovao mikasika azy mba hiantso ny laharana 0341401475 na hanatona ny toby akaiky azy indrindra », hoy ny zandarimaria.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.