Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikasan’i Frantsa hametraka valan-javabohary: vonona hiaro ireo Nosy ny miaramila fiandry

Fikasan’i Frantsa hametraka valan-javabohary: vonona hiaro ireo Nosy ny miaramila fiandry

Nijoro ary naneho fahavonona ireo miaramila fiandry « Ex-militaire reservitse », araka ny fanambarana nataon’izy ireo, tetsy Andrefan’Ambohijanahary, omaly. « Tsy ekenay ary tsipahinay marindrano ny hanaovan’i Frantsa ho valan-javaboahary ny Nosy Sambatra… Mijoro miaraka amin’ny fanjakana izahay manoloana izany. Vonona izahay na antsoina andro na alina amin’ny fitakiana ny hamerenana ny tanin’ny Malagasy sy hiaro ny Malagasy… », hoy izy ireo. Nohitsin’ireto miaramila fiandry ireto fa amanaliny izy ireo raha toa ka ilaina izany. Miara-dalana amin’izy ireo  amin’izany koa ny Fikambanan’ny mpanohana an’i Andry Rajoelina (Fimpam).

Notsiahivin’ireto rezervista ireto fa efa teo hatrany izy ireo, nanomboka tamin’ny 2009 ary nanohana sy niara-niasa tamin’ny filoha Rajoelina Andry. « Mbola manohana azy sy ny fitondrana amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao… Teo koa izahay tamin’ny 21 avrily 2018 », hoy ihany izy ireo. Nanohana ny kandidà filoham-pirenena, ny depiote IRD sy ny benan’ny Tanàna IRK…

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.