Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Banky Iraisam-pirenena: tsy ampy ny fampiasana ny antontam-baovao

Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena (BM), volana vitsy lasa izay, mikasika ny fampandrosoana maneran-tany ho an’ny taona 2021. Maromaro ny antontanisa sy antontam-baovao nivoaka tao sy ny lanjany amin’ny lafiny fampandrosoana. Namoaka tatitra indray ny Banky iraisam-pirenena, ny fiandohan’ny volana mey teo, hakan-kevitra ny fomba nampiasana ireny tarehimarika sy antontam-baovao ireny. Mahatsikaritra ny BM, fa tsy tena ampiasaina araka ny tokony ho izy na tsy ampiasaina hatramin’ny farany ireny antontam-baovao ireny.

Maka ny soso-kevitry ny rehetra, indrindra ireo sehatra voakasiky ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena, hikaroka ny fomba hanatsarana ny fampiasana ireny antontam-baovao ireny.

Ho an’ny BM, fotoana fanararaotana izao fisian’ny tranga Covid-19 izao, hahafahana mijery fomba fiasa sy fijery vaovao, raha ny lafiny fahasalamana, ohatra.

Njaka A.

 

Les commentaires sont fermées.