Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antenimierampirenena : mety hisy tolo-dalàna momba ireo Nosy malagasy

Manana fikasana toy izao ny eo anivon’ny Antenimierampirenena: hanao tolo-dalàna ary hampanarahana ny an-tanan-tohatra. Nefa ao anatin’ny fotoana fohy no hanatanterahana an’izany. Ho ahy manokana, tsotra ny soso-kevitra: homena didy ny FTM hoe hampidirina ao anatin’ny sarintanin’i Madagasikara ireo Nosy malagasy ireo manomboka izao”, hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ny depiote Razafitsiandraofana Jean-Brunelle. Hampidirina ao anatin’ny fari-piadidiana ara-pitantanan-draharaham-panjakan’i Madagasikara ireo Nosy ireo. Mandray an-tanana izany ireo tompon’andraiki-panjakana mifehy ny lafintany sy ny atitany manamorona azy ireo avy. Manana fahefana ary miandraikitra ireo Nosy manakaiky azy ny governoran’ny faritra Diana sy ny prefet ary ny lehiben’ny distrika. Mbola misy ny hetsika politika sy diplaomatika sy ny hetsiky ny vahoaka. Maika ny hampidirina haingana ao anatin’ny lafintany sy ny sarintany ireo Nosy ireo.

R.Nd.

 

 

Les commentaires sont fermées.