Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vokatry ny Covid-19: mety ho sahirana avokoa ireo klioba aorian’ny fihibohana

Nikatona, nanomboka ny volana marsa lasa teo, ny ankabeazan’ny dojo na ireny efitrano fanaovana fanazarantena an’ny klioba maro eto amintsika ireny. Maro amin’izy ireny anefa ny itakiana sarany sy vola aloan’ny mpikambana sy ireo ankizy ao aminy isam-bolana izay tena ivelomany sy anodinana ny”dojo”. Manoloana izany, mahatsiaro misedra olana ihany ireto mpitantana klioba ireto, amin’ny hampihodinana sy hamerenana indray ny klioba amin’ny laoniny, indrindra rehefa miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha ara-pahasalamana eto amintsika. Marina, hoy izy ireto, fa saika ny filohan’ny klioba hatrany matetika ny mandray ny andraikitra amin’ny famenoana ny banga sy ny tsy ampy, saingy niaraha-nahita kosa tamin’ity fa samy niharan’ny fahasahiranana avokoa ny rehetra ka tsy afaka hiantehitra amin’izy ireny irery intsony ny klioba. Ho sarotra ihany koa anefa ny hanery ireo ankizy hanefa ny vola fandoa isam-bolana satria nihiboka fa tsy niofana na nikotrana tao amin’ny klioba izy ireo. Tsy maintsy ny mpitantana ihany, araka izany, ny mitady vahaolana ho an’ny kliobany raha mbola te hihodina ara-dalàna.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.