Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina – Covid-19: mandeha ny asa fampandrosoana

Toamasina – Covid-19: mandeha ny asa fampandrosoana

“Mifameno ny ady amin’ny tsy fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 sy ny fanohizana hatrany ny fampandrosoana ny tanàna, indrindra ny firosoana amin’ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny tatatra sy ny lakandrano rehetra mamakivaky ny renivohitr’ i Toamasina“, hoy ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina Herilala. Efa eo am-panadiovana ny tatatra, mirefy 30 km, tsentsina, tsy nisy nanao hatramin’izay, ny kaominina. Mitarika fiangonan-drano manerana ny tanàna izany. Hanaovana asa tana-maro ho an’ny fokonolona lalovan’ny lakandrano ny ampahany ary hampiasana fitaovana vaventy toy ny “bul” kosa ny sasany noho ny fahasarotan’ny asa. «Ilaina ny fanadiovana hiarovana amin’ny mety hisian’ireo valanaretina vokatry ny fivangongoan’ny fako sy ny rano mihandrona », hoy ihany izy. Etsy andaniny, misy ireo manana fotodrafitrasa ambonin’ny tatatra tsy manaiky hiala eo ambonin’izany. Anisany ny tranobe ao Ankirihiry sy ao Valpinson ary ny trano fandihizana iray ao Anjoma. Takin’ireo fokonolona sy ny mpivarotra madinika ny fampiharana lalàna ho an’ny rehetra.

Sajo

Les commentaires sont fermées.