Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Soanierana Ivongo: telo mianaka indray natelin’ny rano

Ankohonana avy niantsena tao amin’ny fokontany Tanandava, Soanierana Ivongo no tra-doza ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny loharanom-baovao iray, nivadika ny lakana nitondra azy efa-mianaka tao amin’ny fokontanin’i Tanambao Ambondromanga, kaominina Manombana Fandrarazana. Avotra tamin’izany ny zanak’ireo mpivady izay 12 taona raha vata-mangatsikan’ireo ray aman-dreniny sy ny zandriny vao 4 taona monja, hitan’ny fokonolona nitady azy ireo. Taorian’izay, noentin’ny fianakaviany ireo nofo mangatsiaka. Ary tonga nitsapa alahelo azy ireo ny ben’ny Tanàna ao an-toerana.

Ankoatra izay, mbola mitohy ny fikarohana ireo mpandeha hafa miisa efatra izay nivadika tamin’ny lakana tamin’ny herinandro lasa teo, teo anelanelan’Analalava sy Ambolobozo. Tsiahivina fa mbola ilay tovolahy iray, isan’ireo mpandeha, no hita hatramin’izao. Ity farany izay nikasa ho any Mahajanga ka niaraka tamin’io lakana mpividy trondro atao hoe DXE io.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.