Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Raharaha kidnapping »: tratran’ny zandary ao Kaomoro i Dilavarhoussen Raza, naman’i Lama

Mihazakazaka hatrany ny tohin’ny “Raharaha kidnapping” farany teo izay nahavoatifitra an’ i Lama. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpanao gazety kaomorianina, miasa ao amin’ny la Gazette des Comores, i Ali Oubeidillah Yazid, voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava ao Kaomoro, ny alahady teo, ilay teratany karana atidohan’ny kidnapping, i Dilavarhoussen Raza, izay namana akaiky an’i Lama ary efa voatazona ao Kaomoro. Taorian’ilay didy fikarohana navoakan’ny eo anivon’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena eto amin’ny faritra Analamanga (CIRGN) momba an’i Dilavarhoussen Raza, nanao ny fikarohana rehetra ny zandary kaomorianina ka izao nahitam-bokany izao izany. Nambaran’ity mpanao gazety kaomorianina ity hatrany fa miandry ny fanjakana malagasy ahafahana mandefa ity Karana ity mankaty Madagasikara ny zandarimaria ao Kaomoro.

Jiolahy iray hafa koa tratran’ny polisy…

Fa jiolahy iray naman’i Lama koa tratran’ny polisy avy ao amin’ny commissariat central teny Ambatofotsy, afakomaly, rehefa nifanenjehana. Raha ny tatitra nampitain’ny eo anivon’ny polisim-pirenena, tsy mbola fantatra mazava na Rajim, ilay jiolahy mpiray tendro amin’i Lama, ity tratra ity fa aorian’ny famotorana no ahafantarana izany.

J.C

Les commentaires sont fermées.