Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Muay-thai – Madagasikara sy Sri-Lanka: hanatanteraka ady “pro” eto sy any ivelany

Na eo aza ny tsy fahafahana mikarakara hetsika fanatanjahantena, mitohy hatrany ny asa fampandrosoana sy ny fitadiavana fiaraha-miasa ho an’ireo federasiona. Ho an’ny eo anivon’ny muay-thai manokana, hisy karazana ady maromaro kasaina hatao eto sy any ivelany, iarahana amin’ny Association Muay-thai of Sri-Lanka. Hizara telo miavaka tsara izany ka ny natokana ho an’ireo tsy mbola mandray vola na “amateur” ady voalohany, ny faharoa, ho an’ireo “semi-pro ary ny fahatelo farany kosa, natokana manokana ho an’ireo efa matihana na ilay antsoina hoe “professionnel”, ilay mandray volabe io ary saika izany fotsiny ny asa fivelomany. Nandritra ny resaka nifanaovan’i Ananda Maluthanga, tomponandraikitra eo anivon’ity Association Muay-thai of Sri-Lanka sy ny filohan’ny federasiona malagasy ny muay-thai, Rakotoalizao Hainatiana Gervais, ny nahafantarana izany, izay notanterahina tamin’ny alalan’ny seraseram-pifandraisana, ny alatsinainy teo. Fantatra kosa fa efa mamolavola tetiandro rehetra ho amin’izany izy ireo, ary aorian’ny filaminana eo amin’ity toe-draharaha ara-pahasalamana ity no hambara amin’ny fomba ofisialy izany rehetra izany.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.