Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Misaona ny asa fanaovan-gazety: nodimandry i Mamy Nohatrarivo

Lavo ny andrarezina. Nodimandry, afakomaly, rehefa nolazoin’ny aretina nandritra ny fotoana maro i Mamy Nohatrarivo. Mpanao gazety nandalo sehatra sy dingana samihafa. Fantatra amin’ny solon’anarana Mamy K. Efa niasa teo anivon’ny L’expresse de Madagascar, ny Ao Raha ary ny L’Hebdo. Efa nandalo tamin’ny haino aman-jery samihafa, indrindra fa ny gazety an-tsoratra, i Mamy Nohatrarivo. Nampita sy nampiofana ary nanome traikefa ireo mpanao gazety taty aoriana koa i Mamy K. Ankoatra izany, mpampianatra koa anefa ny tenany.

Nalevina, omaly any Mahitsy ny nofomangatsiak’i Mamy Nohatrarivo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.