Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maroantsetra: tratra ny hazo tsy ara-dalàna miisa 16

Nisy kamiao iray nitondra hazo sarobidy sy tsotra, miisa 16, tratran’ny tompon’andraikitry ny Tontolo iainana sy ny ala any Maroantsetra, ny 12 febroary teo.

Tao an-tokotany izay iraisan’ilay tompon’ny hazo amina mpitsara iray any an-toerana no nahatrarana ireo hazo, izay nalaina tany amin’ny alan’Anjahanambo. Niakatra fampanoavana ny 18 avrily ilay tompony sy ny mpamily ny kamiao. Tsy notazonina vonjimaika am-ponja izy ireo fa koa tsy navela hivoaka ny faritr’i Maroantsetra.

Niakatra fitsarana ny 15 mey ny raharaha ary hivoaka anio 22 mey ny didim-pitsarana. Fantatra fa ilay mpitsara miray tokotany aminy ihany no solontenan’ny fampanoavana tamin’ny fotoam-pitsarana, izay manana rohim-pihavanana aminy ihany koa.

Tsiahivina fa sokajina ho heloka bevava ny fitrandrahana tsy ara-dalàna hazo, indrindra raha nalaina tany amin’ny faritra arovana.

Randria

Les commentaires sont fermées.