Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: tsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana ireo fiangonana

Mahajanga: tsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana ireo fiangonana

Ny alarobia teo, nampiantsoina avokoa ireo solontenan’ny fiangonana to Mahajanga nomena baiko hentitra sy fampitandremana amin’ny fampanarahana antsakany sy andavany ny fepetra ara-pahasalamana rehetra rehefa manao fotoam-bavaka.

Nahazo tatitra mantsy ny avy amin’ny CCO Boeny ao Mahajanga fa maro amin’ireo karazam-piangonana ao an-toerana ny tsy manaja izany fepetra amin’ny fiarovantena amin’ny valanaretina Covid-19 izany.

Hentitra ny hafatra: tsy maintsy arahina ny fepetra ara-pahasalamana satria tsy mifidy olona asiana ny tsimokaretina Coronavirus ka tsy tokony hatao antsirambina ny fiarovantena, ny fitondrana aron-tava, ny elanelana iray metatra, ny fanasana tanana na fiangonana inona na fiangonana aiza.

Mila hentitra amin’ireo mpivavaka ao aminy ny mpitondra fivavahana fa tsy mamela ny fampiharan-dalàna ho goragora ho fisorohana ny aretina ao an-tanàna.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.