Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikambanana Zanadranavalona: hanamarika ny taom-baovaony any an-trano ny Imerina

Hankalaza ny andiany faha-445 amin’ny taom-baovaon’Imerina ny fikambanana Zanadranavalona, ivondronan’ny taranak’i Nenibe Ranavalotsimitoviaminandriana, eny Anosimanjaka ny 23 mey izao.

Nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Ravelonarivo Alain Eddie, fa tsy hisy ny hetsika iraisana noho ny fanajana ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana manoloana ny Coronavirus. « Samy hanamarika izany isan-tokantrano ny fianakaviana », hoy izy. Notsiahivin’izy ireo fa tsy nivaona tamin’ny fanisan’andro nolovaina tamin’ny mpanjaka Ralambo teto Imerina ny tetiandro narahin’ny Zanadranavalona nandritra ny taonjato efatra nifandimby. « Nampifanindry hatrany ny alahamady amin’ny fanisana andro arabo nadikan’i Habibo, mpanandro nobaikoin’ny mpanjaka hanao io tetiandro io tamin’izany. Manaporofo izany ny anaram-bolana sy andro arabo mbola tazonin’ny Malagasy hatramin’izao sy ny fomba fanisana andro mifanaraka amin’ny tsinam-bolana ka mampiovaova hatrany ny vanin’andro », hoy ny mpahay momba ny tetiandro malagasy, Rabearisata Arima.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.