Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampianarana ampitain-davitra: hiara-kiasa ny Unicef sy ny Airtel Afrika

Hiara-kiasa ny Unicef sy ny orinasa Airtel Afrika hanohana ny fahazoana manome fampianarana ampitain-davitra sy ny fanamorana ny fahazoan’ny fianakaviany vola tohana manoloana ny valanaretina Covid-19. Ny firenena13  aty Ambanin’i Sahara no hisitraka ny tohana ka anisany i Madagasikara, araka ny fampitam-baovao azo avy any Dakar. Hiantefa amin’ny ankizy 133 tapitrisa efa tokony hiditra an-dakilasy nefa voatery nanapaka ny fampianarana ny fanampiana.

Mampitondra takaitra eo amin’ny fianakaviana maro ny valanaretina Covid-19 satria ankoatra ny tsy fisian’ny fampianarana ho fiarovana ny mpianatra, betsaka ny fihariana rava, indrindra ho an’ireo tena sahirana fivelomana noho ny fihibohana. « Noho ireo antony ireo no nitarika ny roa tonta hanohana ny marefo ka hampiasaina ny teknolojia vaovao hanamorana ny asa ho an’ny mpianatra sy ny fizarana ny vola tohana amin’ny finday tsy hikirakirana vola mivantana », hoy ny tale mpanatanteraky ny Airtel Afrique, i Raghunath Mandava. Hisafidy tranonkala efa mpamokatra fahalalana ho an’ny ankizy ny Airtel Afrika ary ho azon’ny ankizy jerena sy arahina amin’ny alalan’ny ordinatera na « tablette ».

Vonjy     

Les commentaires sont fermées.