Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famokarana fanafody: haverina hihodina ny orinasa Ofafa

Ho fanatanterahana ny fanambin’ny filoham-pirenena amin’ny famokarana fanafody eto an-toerana, haverina hosokafana indray ny orinasa Ofafa. Ho isan’ireo orinasa matanjaka mpamokatra fanafody izy ato ho ato.

Fantatra, nandritra ny filankevitry ny minisitra natao ny alarobia teo, fa homena hery vao indray ny orinasa malagasy mpamokatra fanafody Ofafa. Naverina amin’ny fanjakana ny tany sy ny toeram-piasan’ny Ofafa izay haverina hosokafana indray rehefa nampanofaina tamin’ny orinasa Niphar ny taona 2007. Io orinasa Niphar io indray no nampanofa amin’ny orinasa afakaba mpamokatra akanjo Madagascar King Geer Cashemere Co Ltd tamin’ny taona 2017.

Rehefa natao ny fidinana ifotony sy ny fifampiresahana, tapaka fa haverin’izy ireo amin’ny fanjakana ny toerana rehetra fa hisy kosa ny 700 m2 avela hiasan’ireo mpiasa mbola am-perinasa ao amin’io orinasa afakaba io.

Hovitaina mialoha ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovantena ny fanokafana sy ny fampihodinana indray ity orinasa ity malagasy mpamokatra fanafody ity. Ho anisan’ireo orinasa lehibe sy matanjaka hamokatra fanafody eto Madagasikara ny Ofafa manomboka eto.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.