Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Autisme Madagascar-Osisa: nitondra tantsoroka any Toamasina

Hitondra anjara biriky tantsoroka ho fanohanana ireo tena marefo manoloana ny fiatrehana ny tsimokaretina Covid-19 ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanana. Hiara-kiasa ny  fikambanana Autisme Madagascar sy ny Open Society Intiative for Southern (OSISA) hampirindra ny lafiny sosialy sy fahasalamana any Toamasina izay ahitana olona maro mitondra ny tsimokaretina. Tafiditra anatin’ny vondrona marefo hampiana ny mpiasan’ny fahasalamana, ny zokiolona ary ireo manana fahasembanana. Efa any Toamasina amin’izao fotoana izao ny ekipan’ny Tantsoroka mitondra ny tohana ary manampy ireo mpisehatra mivantana amin’ny asa. Efa nihaona tamin’ny tomponandraikitra any an-toerana izy ireo handrindrana ny asa, araka ny fanazavana azo.

Amin’ity herinandro ity, zokiolona sy olona manana fahasembanana 1 100 hizarana tohana. Hahazo koa ny mpiasan’ny fahasalamana: saron-tava 500, fonon-tanana 1 000 ary “gel hydroalcoolique” 30 litatra hapetraka amin’ny holafitry ny mpitsabo sy ny sendikàn’ny “paramédicaux” ao Toamasina. Nanolotra “smartphone” 10 ho an’ny olon’ny Croix-rouge malagasy koa ny mpanolotra fanampiana hanohanana amin’ny fitadiavana ireo olona nifanerasera amin’ny efa marary ka mila fitiliana.

Manampy tosika amin’ny fanentanana samihafa koa ny ekipa amin’ny petadrindrina sy eny amin’ny onjampeo ary ny tambajotra sosialy.

Vonjy           

Les commentaires sont fermées.