Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antenimierampirenena : “Fihantsiana ny ataon’ny fitondrana frantsay”

Antenimierampirenena : “Fihantsiana ny ataon’ny fitondrana frantsay”

“Heverin’ny solombavambahoaka fa miendrika fihantsiana ny fanambarana nataon’ny fitondrana frantsay momba ny Nosy Sambatra, ary mifanohitra tanteraka amin’ny fehinkevitra noraisin’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU).”

Io ny fanambaran’ny Antenimierampirenena novakin’ny filohany, Razanamahasoa Christine, teny amin’ny CCI, Ivato, afakomaly.

Manohana ny filohan’ny Repoblika, nanambara tao amin’ny televiziona France 24, ny amin’ny fiandrianam-pirenena manoloana ireo Nosy manodidina, araka ny lalàna iraisam-pirenena, izy ireo.

Maneho ny firaisankina sy ny fanoloran-tanana feno ny governemanta, mitsipaka ny governemanta frantsay hanao ny Nosy Sambatra ho tahirin-javaboaharim-pirenena koa izy ireo.

Mila vahaolana ny disadisa

“Miantso ny frantsay izahay depiote hanao ho zava-dehibe ny fifampiresahana hahazoana mitady vahaolana amin’izao disadisa izao”, hoy izy. Mangataka koa izy ireo ny fanelanelanan’ny Sadc sy ny Vondrona Afrikanina amin’ny maha faritra mbola voazanaka ireo Nosy malagasy manodidina takin’i Madagasikara ireo sady Nosy afrikanina rahateo.

Mbola ao anatin’ny fifampidinihana sy ny fifanarahana izao. Manapa-kevitra irery ny fanjakana frantsay ary mihevitra fa azy ireo ny Nosy manodidina. Hanao fehinkevitra momba ireo nosy ireo koa ny Antenimierampirenena, na hanao tolo-dalàna. Saingy, mbola ato anatin’ny dingana fifanarahana isika ka tokony hifanajana ny amin’izany.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.