Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

TSELATRA

Voan’ny Coronavirus ilay zanaka pasitera. Nakatona nanomboka ny asabotsy teo ny fiangonana iray ao Ambohitseheno, distrikan’i Manjakandriana, vokatr’izany. Rehefa natao ny fitiliana tamin’alalan’ny TDR, dia voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus ny zanaky ny mpitandrina. Taorian’izay, noentina teto an-dRenivohitra ilay zaza natao fitiliana lalina,  araka ny fepetra noraisin’ny mpitsabo sy ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. Nohamafisin’ny loharanom-baovao tamin’izany fa hisy ny fandrarahana fanafody ny trano fonenan’ilay zaza. Ireo olona nifanerasera taminy kosa hahiboka tanteraka ka tsy misy mahazo mifanerasera amin’izy ireo, mandritra ny 14 andro.

Tratra ilay kamiao nokarohin’ny zandary. Namoaka fanambarana ny teo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena ao Vakinankaratra fa efa hita ilay kamiaobe laharana 8040 TAF ny lohany ary 8840 TAE ny “remorque”. Taorian’ny fahatrarana ny mpamily, nampidirina “fourrière”,mandritra ny 10 andro, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia ary nosintonina avy hatrany koa fahazoan-dalana mitondra fiara (permis) an’ilay mpamily. Hatolotra ny fitsarana avy hatrany ity mpamily ity miaraka amin’ilay mpanampy azy sy ireo mpandeha nentin’izy ireo noho ny fandikan-dalàna miharihary nataon’ireto voarohirohy ireto.

 

Nangonin’i JC sy Henintsoa Hani.

 

Les commentaires sont fermées.