Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sady tsy nanao arovava no be famaliana: Afrikanina iray nosamborin’ny polisy teny Besarety

Sady tsy nanao arovava no be famaliana: Afrikanina iray nosamborin’ny polisy teny Besarety

Voatery nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo (CSP3) teny Besarety, omaly ny teratany afrikanina iray tsy nanao arovava. Nanamafy ny polisin’ny CSP3 fa toy ny Malagasy rehetra mandika lalàna dia am-panajana tanteraka no nanentanana ity teratany vahiny ity mba hanao arovava sy hanao ny asa iombonana ho setrin’ny tsy fanarahan-dalàna nataony. Tabataba sy fanaratsiana ireo polisy ary nanohitra tsy nety namafa lalana no nataon’ilay Afrikanina. Voatery nentina avy hatrany eny amin’ny kaomisaria ny polisy noho izany fihetsika izany ity teratany vahiny ity. Tsy nanaiky izany hatrany anefa izy ka nampiasa ny heriny tamin’ireo polisy hitondra azy ka tsy maintsy niroso tamin’ny famehezana azy manoloana ny herisetra nataony ireo polisy. Nambaran’ny polisy fa ny lalàna dia tsy natao hanavahana fa natao ho an’ny olona rehetra miasa sy monina eto Madagasikara. “Noho izany dia handraisana fepetra avokoa ireo izay minia mandika izany mba ho fiarovana ny ain’ny vahoaka malagasy manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19”, hoy ny teo anivon’ny kaomisarin’ny CSP3.

J.C

Les commentaires sont fermées.