Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CUA – Vitogaz: nahazo tohana ny tsy manan-kialofana

CUA – Vitogaz: nahazo tohana ny tsy manan-kialofana

« Nandray an-tanana amin’ny fanampiana ireo tsy manan-kialofana ny orinasa  sady mba ho fanohanana sy fiahiana azy ireo ao anatin’izao toetr’andro izao. Eo koa ny fisian’ny aretina covid-19 amin’ny fiatrehana ny asa sosialy eto Antananarivo », hoy ny tale ara-barotry ny orinasa Vitogaz, Rabezandrina Angelin, omaly tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely. Nanolotra  « bouteilles de 9 kg » miisa 100 sy sy fatana miisa  20, hampiasana eny amin’ny foibe roa misy ireo tsy manan-kialofana, tantanin’ny CUA izy ireo. Natao hisahanana ny sakafo maraina sy antoandro ary hariva ho an’ireo tsy manan-kialofana miisa 750 izany.  Tafiditra amin’ny fanatsarana ny tontolo iainana eny amin’ireo toby ireo  sy ho fialana amin’ny afo kitay. Antony nampitsiry ny hevitra amin’ny  fanatonan’ny CUA amin’ny orinasa Vitogaz izany, hanampy amin’ny fomba fandrahoana ny sakafo eny amin’ny akany. Nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta tamin’ny fanolorana izany, niarahan’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina sy ny mpitantana ny Vitogaz, « administrateur Général » i  Vincent  Fleury.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.