Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Aza manao tsinontsinona…

Aza manao tsinontsinona…

Fikarokarohana kely natao tao amin’ny tranonkala « Wikipédia », omaly, no nahafantarana fa nanomboka ny 25 janoary 2020, fotoana nanombohan’ny fihanahan’ity valanaretina Coronavirus, na Covid-19 ity tany Wuhan, Sina, hatramin’ny omaly, efa marobe ireo olo-malaza, nanana ny maha izy azy teo amin’ny andraikitra nosahaniny teo amin’ny fiarahamonina sy tao amin’ny firenena nisy azy no maty.

Misy ny mpanao baolina kitra, mpanao politika, depiote, mpanao hosodoko, artista mpihira, mpanao jazz, mpanao rap, pasitera, mompera, arseveka, injeniera, diplaomaty, mpampianatra matematisianina, mpanoratra, mpandraharaha, mpanao tantara, mpanao gazety, mpitsara, mpisolovava,… Eny, hatramin’ny mpitsabo, toa an’i Liang Wudong, ilay dokotera teratany sinoa anisan’ireo namoy ny ainy voalohany tany Wuhan, ilay biologiste  frantsay,  manampahaizana amin’ny fikarohana ny areti-mifindra (infectiologue), i Jacques F. Acar. Misy aza jiolahy nikoizana taloha « mafia », tao amin’ny fikambanan-jiolahy malaza « Cosa Nostra », ilay teratany italianina, Francesco Di Carlo…

Olo-malaza fantatra fa namoy ny ainy tratran’ny valanaretina Covid-19 ireo, fa misy koa ny olo-malaza mbola velona, nifindran’ny aretina ka voatily ho mitondra ny valanaretina Covid-19. Anisan’izany, ohatra, ny Praiminisitra anglisy, i Boris Johnson, izay efa sitrana, ny vadin’ny praiminisitra kanadianina, ilay mpihira vehivavy amerikanina malaza, i Madonna. Lava ny lisitra.

Inona no antony hitanisana izany eto ? Manomboka mitady hahazo vahana hatraiza hatraiza, eny eto amintsika koa aza izao ny fanilikilihana ireo olona, na ny fianakavian’ireo marary na matin’ity valanaretina coronavirus ity, any anaty fiarahamonina any. « Havan-dry anona, hono, ireny, zana-drahalahin-dranona »… Mampalahelo ny voka-dratsin’izany : hiatakatahan’ny manodidina, handosiran’ny hafa eny an-dalana raha mifanena…

Araka iretsy sokajin’olona voatanisa etsy ambony iretsy anefa, tsy aretin’ny mahantra na mpanakarena, tsy aretin’ny mpanao politika izao na izaroa, tsy aretin’ny mpivavaka na ny jiolahy… ny coronavirus fa aretina mety hahazo ny olon-drehetra… raha tsy misy ny fitandremana. Koa tsy aleo ve, rey olona, hialana izany fanilikilihana na fitsaratsarana fahatany ny hafa izany ? « Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota », hoy ny Ohabolana 14, 21.

Mamy Randrian

Les commentaires sont fermées.