Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andron’ny fadim-bolana: misy fifaninanana mamorona horonantsary

Mikarakara fifaninanana ho an’ny zatovovavy ny Unicef momba ny famolavolana horonan-tsarimihetsika iray mitantara ny servieta ampiasain’izy ireo rehefa ao anatin’ny fadim-bolana. Mampiasa ny application TikTok ny mpifaninana rehetra ary 20 segondra ny faharetan’ny tantara mampisongadina ny karazana servieta : lamba azo sasany, tampon… izay tsy tokony ho hita mivantana ao anatin’ny horonantsary. Ireo horonantsary miavaka dia hatambatra ary haseho mandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadim-bolana, ny 28 mey ho avy izao. Hisy olo-malaza handray anjara mivantana amin’ny horonantsary, amin’io fotoana io ka manentana ny zatovovavy malagasy handray anjara ny mpikarakara. Haneho ny talentany eo avokoa ny ankizivavy amin’ny firenena maro.

Mialohan’ny 23 mey ho avy izao no handefasana ny horonantsary ho an’ireo liana. “Tsy maha menatra ny miresaka ny fadim-bolana sy ny fahadiovana mandritra ny fahatongavany”, ny lohahevitra ho an’ny fanamarihana ny Andro iraissam-pirenena.

Vonjy       

Les commentaires sont fermées.