Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny covid-19: fanomezana avy amin’ny Lecofruit sy OIM

Ady amin’ny covid-19: fanomezana avy amin’ny Lecofruit sy OIM

 Mandray anjara amin’ny ady amin’ny aretina Covid-19 ny orinasa Lecofruit sy ny OIM, ao anatin’ny vondrona orinasa Basan. Notolorana fanomezana ny mponina tena sahirana ao amin’ny fokontany dimy (Andafiatsimo, Ambodivoanjo, Antsahasoa, Ambohibahiny, Ifarihy), kaominina Ankaraobato sy Tanjombato, ny 8 sy 9 mey teo. Miisa 800 ireo nisitraka ny fanampiana, 160 isaky ny fokontany, nahitana mpanasa lamba, manana fahasembanana ary ireo tena sahirana. Nomena lafarinina, siramamy, Farilac ary biskoy JB.

Nohararaotina koa ny fotoana nizarana takelaka taratasy fanentanana sy torolalana ho an’ny rehetra hiadiana sy hisorohana ny aretina Covid-19.

Nanao ity hetsika ity ny vondrona Basan, amin’ny maha orinasa indostrialy tompon’andraikitra sy vonona hitondra fampandrosoana azy eto Madagasikara.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.