Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nipoaka ny basy teny Ambohijanamasoandro Itaosy, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Nahazo antso ny polisy nanao fisafoana nijery ny zava-nisy. Fantatra fa saika hanafika ireo jiolahy ka nanapoaka basy. Namaly poa-basy anefa ny olona izay manana basy tao an-toerana. Vokany, nitsoaka ireo jiolahy ary tsy tanteraka ny asa ratsy saika nataony. Ireo mponina kosa nitangorona nihainohaino ny mety ho tohin’ny zava-misy.

Lehilahy mitonona ho mpiambina iray, voasambotry ny fokonolona tao Ivato, ny asabotsy teo. Voalaza fa mpamotika fotodrafitrasa izy io. Nandika ny sakana hiarovana ny lalana vao avy norakofana « beton » ralehilahy. Vokany, tezitra tamin’ireo fandrahonana ho faty nataony ny kartie mobila sy polisy iray ny fokonolona ka nisambotra azy.

Les commentaires sont fermées.