Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nandritra ny fihibohana: nihena ny lozam-pifamoivoizana

Nihena ny lozam-pifamoivoizana hatramin’ny nisian’ny fihibohana, raha ny tatitra voaray teny amin’ny tompon’andraikitry ny polisy misahana izany eny Tsaralalana, omaly. Nahatratra 43 izany, nanomboka ny 23 marsa hatramin’ny 17 mey teo. Niisa sivy ireo lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ary 10 ny isan’ireo namoy ny ainy tamin’izany. Mitotaly 32 kosa ireo loza naharatrana olona ary miisa 40 ireo naratra tao anatin’izay roa volana latsaka izay. « Roa tamin’ireo lozam-pifamoivoizana ireo no nahitana fiaram-panjakana », hoy ny fanazavan’ny kaomisera Tenazafy Willys Perlin, tompon’andraikitra ao amin’ny BAC. Notanisainy fa miisa valo ireo lozam-pifamoivoizana izay avy amin’ny hamamoana. Ity farany, izay nohazavainy fa miisa roa ireo namoy ny ainy tamin’izany raha dimy ireo naratra. Ary efatra tamin’izany ny lozam-pifamoivoizana naharatrana olona. Nohamafisiny fa noho ny tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana ny anton’ireo loza ireo. Eo ihany koa ny fandehanana mafy. « Tery ny lalana eto amintsika ary manery ny fifamoivoizana ireo mpivarotra eny amoron-dalana, ny « parking » eny amin’ny sisin’arabe ary ireo mpandeha an-tongotra izay tsy mandeha amin’ny lalana voatokana ho azy ireo », hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.