Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama Port-Bergé : 170 tapitrisa Ariary voahodinkodina

Jirama Port-Bergé : 170 tapitrisa Ariary voahodinkodina

Nidina ifotony tany Port-Bergé ny ekipan’ny mpanara-maso ao amin’ny Jirama foibe. Voamarina fa voahodinkodina ny volabe mitentina 170 tapitrisa Ar. Fantatra fa mpiasan’ny Jirama any an-toerana ihany no atidoha nikotrika ity asa ratsy ity, izay nametra-pialana nanomboka ny 4 mey teo, ary tsy fantatra intsony ny momba azy, hatramin’izao.

Taorian’ny fakana am-bavany nataon’ny polisim-pirenena sy ny didy navoakan’ny mpampanoa lalàna, nampidirina am-ponja vonjimaika ny tompon’andraikitry ny Jirama any Port Bergé.

Manamafy ny mpitantana ny Jirama foibe fa tsy handefitra amin’iza na iza, manimba ny orinasam-panjakana toy izao, sady miantso ny rehetra hanome vaovao sy sahy mitory amin’izay mandika lalàna.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.