Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Izay tsy mahaloa saram-pianarana: tsy mahazo  certificat de scolarité 

Antony mampisalasala ny ray aman-dreny hanefa ny saram-pianarana ho an’ny kilasy miatrika fanadinana ny tsy fisian’ny toky homen’ny fanjakana fa hotanterahina tokoa ny fanadinana CEPE-BEPC ary ny bakalorea, araka ny fahitan’ny filohan’ny Aile, ivondronan’ny sekoly laika. Raha ny tetiandro ho an’ny taom-pianarana 2019-2020, mifarana ny 30 jona ny taom-pianarana. Vokatry ny hamehana ara-pahasalamana, tsy fantatra ny tetiandro vaovao ka malaina ny handoa ny saram-pianarana ny ray aman-dreny. Nandray fepetra manoloana izany ny sekoly mivondrona ao amin’ny Aile, tsy homena certificat de scolarité raha tsy nahaloa ny saram-pianarana 10 volana feno ny mpianatra iray ary tsy handray ireo mpianatra ireo ny sekoly hafa ho fitsinjovana ny firaisankina.

Hatramin’izao, ho an’ny sekoly mpikambana, 3% ny tahan’ny tsy fahatongavana any an-dakilasy. Mitohy hatrany ny fampianarana na tsy mazoto manefa ny saram-pianarana aza ny ray aman-dreny ho fitsimbinana ireo mpianatra.

Vonjy A.      

Les commentaires sont fermées.