Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Fahafatesana jiolahy no iadin-kevitra

Jiolahy raindahiny roa lahy no nifanesy tratran’ny fahafatesana vokatry ny fifampitifirana tamin’ny mpitandro filaminana saika isambotra azy. Tehatehaka sisa tsy nataon’ny ankabeazan’ny olona izay efa leon’ny etraketraka mihatra aman’aina nohon’ny tsy fisin’ny fandriampahalemana eto amin’ny fiarahamonina. Mifanipaka amin’izay anefa ny hevitr’ireo mpitolona ho an’ny fiarovana ny zon’olombelona, izay tsy mandefitra amin’ny hetsika ahiahiny ho famonona olona fotsiny tsy andrariny. Izy ireny moa dia manipaka ny fanomezana na iza na iza na ho an’ny fanjakana aza amin’ny alalan’ny fitsarana fahefana andidy eloka ho famonona olona.

Ny ankamaron’ny mponina na any ambanivohitra na an-tanan-dehibe dia very toky manoloana ny tsy fandriampahalemana, tsy mahita itodihana iantsony vonjy mba hiaro azy, noho izay valifaty sisa andrasan’ny maro, ao moa ny fitsaram-bahoaka na voararan’ny lalàna aza, eo koa ny fandavon’ny polisy sy zandary an’ireo jiolahy mamoy aina tsy ho ahin’ny fitsarana intsony ho melohana na avotsotra.

Tsy misy iadin-kevitra ny amin’izay, efa nandalo tamin’izany fanaovana bandy sy raola teo amin’ny fifanenjehan’ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy teo amin’ny ankabeazan’ny firenena maneran-tany. Raha amin’izao fotoana izao any amin’ny firenena maro any Eraopa ny fanapoahana bala iray any am-panaovana «opération» dia mitarika fangatahana fanazavana, nefa na any amina firenena hafa anisan’ny vaventy indrindra eto an-tany dia misy vono olona nefain’ny serifa sy ny tariny izay vitavita ho azy.

Samy manana ny filazany moa, ary samy mahay mandroso antony manokana aroso andresen-dahatra. Ny mpiaro zon’olombelona moa dia tsy iadin-kevitra, araky ny hevitra iziriziriny tsy mandefitra ny didy mametraka fandrarana apetraka ho an’ny rehetra mikasika ny fanalana ain’olona na inona na inona antony. Ny mpitandro filaminana moa dia milaza hono any ambadika any fa lany andro fotsiny izy matetika eo amin’ny fanenjehana sy fikarohana ny olona izay ipetrahan’ny ahiahy momban’ny fanefana eloka lehibe…fitarainana tsy mila tohizina dia mazava. Meto ho marina izany, nefa koa tsy afaka atao mody tsy fantatra fa eo ampanaovana «zorro» matetika dia mety itranga ny fakapanahy isarika ny tena ho sady mpanenjika ny tsy mety, no mpitsara ho an’ny rariny ary mpampihatra ny eloka. Raha dinihana avy amin’ny toe-draharaha ankehitriny iza moa no afaka hinona ho marina, izay voalazan’ireo nanao fianianana sa ny fanambaran’ny olon-tsotra na ny fomba fiarovan-tena asetrin’ny olona voapanga ?


Léo Raz  

Les commentaires sont fermées.