Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitantanana ny Antenimierandoholona: mihozongozona indray ny sezan-dRakotovao Rivo

Fitantanana ny Antenimierandoholona: mihozongozona indray ny sezan-dRakotovao Rivo

Miala any indray ny fikononkonona ny hanonganana amin’ny toerany ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo. Efa misy ny fivorivoriana mandeha any ambadika any, amin’izao fotoana izao, raha ny tsilian-tsofina etsy sy eroa. Na izany aza, nilaza ho tsy mahalala izany ireo loholona mpikambana eo anivon’ny antoko HVM, misy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity. Nitondra fanazavana kosa anefa  ny loholona Mamitina Fabergé, ny faran’ny herinandro teo fa efa voalahatra ny lahadinika anatin’ny iray volana eny Anosikely ka tsy tafiditra ao anatin’izany io resaka fanonganana ny filohan’ny Antenimierandoholona io. Niaky kosa anefa ny tenany fa nitaky ny hialan’ireo filoha lefitra roa, anisan’izany Randriambololona Mananjara eo anivon’ity andrimpanjakana ity ireo loholona sasany noho izy ireo ambara fa nivadika palitao, tsy eo anivon’ny antoko HVM intsony. Nitondra valin-kafatra momba izany ireo an-kilany ka nilaza fa tsy resaka antoko ny eo amin’ny lapan’Anosikely. « Andrimpanjakana io ka tsy misy idiran’ny HVM… Mbola miverina hatrany ny fampifangaroana izany eto… Mazava ny lalàmpanorenana sy ny fitsipika anatiny », hoy ny loholona Randrianandrasana Auguste.

Tsy mandeha ho azy ny fiverenan’ny fanonganana…

Tsy maintsy misy ny fetrisa tratrarina, roa ampahatelon’ny mpikambana vao tonga amin’ny fanesorana ny mambra eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimierandoholona.

Tsiahivina fa efa nisy fikasana fanonganana an-dRakotovao Rivo, tahaka izao, ny volana marsa teo. Voaresaka hatramin’ny fisiana kolikoly hahatongavana amin’izany, saingy nanda izany ireo niketrika ny fanonganana. « Ataonay sambo-balala main’andro io, ka raha tsy azo androany, azonay rahampitso ! », hoy izy ireo. Misy dikany sy antony avokoa izany rehetra izany ?

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.