Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikasana hanorina valan-javaboahary ao amin’ny Nosy Glorieuses: nampanantsoin’ny MAE  i Christophe Bouchard, ambasadaoro frantsay

 

Vaky tanteraka izany ny ady ? Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), omaly tamin’ny fampiantsoana ny ambasadaoro Frantsay, i Christophe Bouchard. « Taitra ny fanjakana amin’ny vinavinan’i Frantsa hanangana tahirin-javaboarim-pirenena ao amin’ny Nosy Glorieuses. Toherinay amin’ny fomba hentitra  izany. Miendrika jadona sy tsy fanajana ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana roa tonta momba ireo Nosy : Glorieuses, Juan de Nova, Europa sy Bassa da Inda izany. Fandikana an-kitsirano ny fehinkevitry ny Firenena mikambana (ONU) », hoy ny fanambarana. Notsiahivin’ny MAE tamin’izany ny fehinkevitra nankatoavina, ny 12 desambra 1979 teo anivon’ny ONU mangataka ny fanjakana frantsay hanomboka tsy misy hatakandro ny fifampiresahana amin’ny malagasy. « Hamerenana amin’i Madagasikara ireo Nosy ireo, nasintaka taminy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ary koa hanafoana ny fepetra manohintohina ny fiandrianam-pirenena sy mampisaraka ny tanin’i Madagasikara. Eo koa ny tsy handraisana fepetra intsony mitovy amin’izany ka hisy fiantraikany amin’ny fikaroham-bahaolana ara-drariny momba ity fifanolanana ity », hoy ny eo anivon’ny MAE.

Midika ho tsy fanajana ary toherina tanteraka

Nohitsin’ny fanambarana fa midika ho tsy fanajana an’i Madagasikara ny vinavinan’i Frantsa sady manohitra ny fanambarana niarahan’ny roa tonta, natao sonia teto Antananarivo, ny 18 novambra 2019, mampirisika ny roa tonta hanohy ny fifanakalozan-kevitra, araka ny tokony ho izy. Nahitsy ny fanambaran’ny MAE fa manohitra amin’ny fomba hentitra izany vinavinan-dry zareo Frantsay izany. « Tahaka izany koa ireo fihetsika hafa rehetra mivantana na ankolaka mety hanohintohina ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara amin’ireo Nosy manodidina. Tokony hotanterahina ankitsim-po ny fifampiraharahana eo amin’ny roa tonta ary hitohy ao anatin’ny  fifanaja feno », hoy ny MAE.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.