Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritry ny afovoan-tany: hamirifiry ny alina sy ny maraina

Hidina ambanin’ny 10°C ny mari-pana ho an’ny faritry ny afovoan-tany toy ny eto Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary any Atsimo Atsinanana raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro.

Ahitana fanala mihitsy izany rehefa hadiva haraina ka mila mivonona ny mponina amin’ireo toerana ireo satria tena hamirifiry ny alina sy  ny maraina. Efa tsikaritra izany, hatry ny omaly, tamin’ny antoandro vao nipoaka ny masoandro ary nahatsiaro ho nangatsiaka ny mponina ny maraina tontolo.

Misy rivotra mangatsiaka tazana ao atsimon’ny ranomasimbe Indianina izay manafika ny  atsimo atsinanan’ny Nosy  hatrany amin’ny Nosy La  Réunion iny.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.