Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanampiana-Lalao Olympika: nanokana 800 tapitrisa dolara ny CIO

Fanampiana-Lalao Olympika: nanokana 800 tapitrisa dolara ny CIO

 Araka ny efa notaterina teto, nifampidinika ny amin’ny hanampiana ny federasiona iraisam-pirenena sy ny komity mpikarakara ny lalao Olympia, ny avy eo anivon’ny Komity Iraisam-pirenena Olympia (CIO). Dinika natao indrindra hanarenana ny krizy ara-bola nanomanana iny lalao Olympika tsy tanteraka iny. Vokatr’izany, nanokana vola mitentina 800 tapitrisa dolara ny CIO ka ny 650 tapitrisa dolara ho an’ny fanomanana ny lalao olympika, nahemotra ho amin’ny taona 2021 ary ny 150 tapitrisa dolara kosa ho an’ireo federasiona iraisam-pirenena.

Tafalatsaka anaty krizy tanteraka, ankehitriny, ny fanatanjahantena maneran-tany, raha ny fomba fijerin’ireo mpahay toe-karena eo amin’ny lafiny fanatanjahantena. Mikatona avokoa izao ny hetsika ara-panatanjahantena rehetra vokatry ny fiparitahan’ny Covid-19. Na misy aza ny fifaninanana, tsy maintsy hatao tsy misy mpijery izany ary miditra fatiantoka ny mpikarakara, ny karaman’ny mpilalao etsy an-daniny. Izao olana izao izay mbola baraingo ny famahana izany aorian’ny fihibohana sy ny fitsaharan’ity valanaretina Coronavirus ity.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.