Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atsimondrano: vita 5 minitra ny sarin-tany

Atsimondrano: vita 5 minitra ny sarin-tany

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly ny “guichet automatique de certificat de situation juridique et plan ” ho an’ny eny amin’ny distrikan’ Atsimondrano. Manomboka izao, mahazo sarintany na ny « Plan » sy ny « Certificat de situation juridique » ao anatin’ny dimy minitra ireo tonga maka izany eny anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany eny Anosy. « Anton’izany sy nandraisana ny fepetra  ny mba hisorohana ny filaharana. Tafiditra amin’ny ady manoloana ny kolikoly koa izany ary hidirana amin’ny fanarahana ny fenitra », hoy ireo tompon’andraikitra nandahan-teny teny an-toerana. Misitraka voalohany izany aloha ny eny amin’ny distrikan’ Atsimondrano. Tsy hijanona eo anefa izany fa hiitatra amin’ny faritra hafa, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, tonga nitokana izany teny Atsimondrano.

Araka izany, manao ny ezaka rehetra hanamorana ny fikirakirana ny resaka fananantany ny eo anivon’ny minisitera.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.