Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsiranana: voasazy manadio fasana izay tsy manao arotava

Hafa kely! Hentitra ny mpitandro filaminana  amin’ireo olona minia sy/na mafy loha tsy mety manao arotava, amin’izao fihanaky ny valanaretina Covid-19 izay efa namoizana ain’olona iray izao. Nomena baiko rahateo izy ireo ka manatanteraka izany, araka ny fanazavan’izy ireo. Ho an’ny any Antsiranana manokana, asaina manadio fasana ireo izay tratra tsy manao arotava, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. Tsy misy ary tsy anavahana olona fa manadio avy hatrany izay tratra. Nanamafy rahateo ny zandarimaria fa ny aretina no tokony hatahorana fa tsy ny mpitandro filaminana manasazy.

Kamiao iray karohin’ny zandary…

Fa namoaka fanambarana amin’ny alalan’ny “ombay mitady” koa ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Vakinankaratra momba ny fisiana kamiao iray miloko mena mitondra ny laharana 8840 TAE izay nitondra olona an-tsokosoko tao Antsirabe avy any amin’ny faritra voarara tsy hivoaka, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro. Voalazan’ny fanambarana nataon’ny zandary fa asain’ilay mpamily mandeha an-tongotra ireo mpandeha rehefa mandalo ny sakana. Nanamafy hatrany ny teo anivon’ny zandarimaria ao Antsirabe fa izay mahita io fiara io na ny mpamily na ny toerana misy azy na sendra nandalovany dia iangaviana hilaza amin’ny zandary amin’ny alalan’ny laharana telefaonina 034 14 005 55 na hanatona ao amin’ny biraon’ny cellule opérationnel Covid 19 ao Vakinankaratra na ny mpitandro filaminana akaiky azy ireo.

J.C

Les commentaires sont fermées.